Notanterahina omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny lanonana fanokafana ny fankalazana ny faha-67 taona nanoratan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy (E. R. R). Malagasy mpanoratra anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra, eny amin’ny ambaratonga faharoa. Manampahefana maro, avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina sy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, niaraka tamina mpianatra maro, no niatrika ny lanonana. Ankoatra ny fampirantiana ireo asa sorany, tanjon’izao hetsika izao koa ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo taranaka aty aoriana, mba hisian’ny fanilo miampita eo amin’ny sehatry ny haisoratra malagasy.
Anisan’ny tena nahafantaran’ny maro azy ilay boky mirakitra tantara foronina, nampitondrainy ny lohateny hoe « Ho avy ny maraina ». Ankoatra izay, misehatra amin’ny famoronana boky fitaizam-pinoana ho an’ny ankizy, sombin-tantara, tantara tsangana, angano, tononkalo, tantara foronina ihany koa i E.R.R ary mpikambana eo anivon’ny « Académie nationale des arts, des lettres et des sciences » ihany koa izy. Ankoatra izay, maro ihany koa ny boky amin’ny teny vahiny nadikan’ity mpanoratra ity, ary mbola misy ny tetikasa andalam-panatanterahana momba izany.
Lin