« Grand salon économique de Madagascar »: hanome lanja ny toekarena malagasy

Hampivondrona ireo mpandraharaha isan-karazany ny « Grand salon économique de Madagascar », izay hatao ao Toamasina, mandritra ny telo andro. Hifampizara traikefa ny samy mpandraharaha, hampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana.

Hanehoana ny vokatra ataon’ireo mpandraharaha samihafa sy ho fampiroboroboana ny toekarena malagasy ny  « Grand salon économique de Mada­gascar » andiany voalohany. Hetsika hatao eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena (avenue de l’indépendance), Toamasina, ny 2-3-4 mey izao. « Renivohitry ny toekarena i Toamasina, misy ny seranan-tsambo lehibe sy voalohany eto Madagasikara izay mampidi-bola betsaka eto amin’ny firenena, antony hanaovana ny hetsika toy izao », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Trait d-union Madagascar, Rahanjama­la­nirina Caroline, mpikarakara ny hetsika, omaly, tetsy Am­bodivona. Hita ao an-toerana, hoy izy, ny ankamaroan’ny orinasa misy eto Madagasi­kara, toy ny fanamboarana savony sy ny orinasa mpamokatra menaka, …. Toerana hifamezivezen’ny entana, fa­nondrana sy ny hafarana, rahateo ity renivohitrin’ny toekarena ity. Noho izany, hampivondrona ireo mpandraharaha samihafa sy Startup amina toerana irany ny « Grand salon économique de Mada­gascar ». Ho hita mandritra ny telo andro ireo sehatra samihafa, toy ny avy amin’ny indostria, ny angovo, ny kojakoja momba ny vatana. Tsy ho latsa-danja amin’izany ny vita malagasy.

Fifanakalozana
“Hifampizara traikefa sy fahalalana mandritra ny fotoana ireo mpandray anjara, entina hampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana mba hiteraka asa ao an-toerana sy eo amin’ny faritra manodidina”, hoy ny mpandrindra ny hetsika, Andriamamonjy Stella. Ankoatra ireo fanentanana samihafa, hisy koa ny lohahevitra hovoaboasana entina hampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana sy hitondrana vahaolana maharitra amin’ny sehatr’asa ataony.
Toerana miavaka i Toa­masina amin’ny fananany an’ireo alan-javaboary maitso mavana sy mahasarika mpizahatany ka mampiroborobo sahady ny toekarena sy ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: