Ny famosirana fandidiana ihany no tokony ho sazy mihatra amin’ireo mpanolana zaza, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, omaly. Nomeny ny alalana ny famoahana ny fepetra sasantsasany amin’ny volavolan-dalàna manitsy ny fehezan-dalàna famaizana sy ny fampidirana ny famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana, izay anisan’ny fanasaziana mampahory sy mahamenatra amin’ny trangana heloka bevava fanolanana zaza tsy ampy taona. Tokony hoesorina amin’ny lalàna havoaka kosa ny famosirana simika izay kasaina hampiharina
amin’ny olona voaheloka ho nanolana zaza 10 taona ary latsaky ny 18 taona. Manana toetra vonjimaika sy azo averina io famosirana io, izay mifanohitra amin’ny tanjon’ny fanjakana amin’ny fanafoanana tanteraka ny mpanolana zaza tsy ampy taona sy mampihena ny mety ho fiverimberenana amin’ny fanolanana.
Misy koa ny fanamarihan’ ny HCC mialoha ny fepetra vaovao momba ny famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana alohan’ny famoahana sy fampiharana lalàna. Angatahiny amin’izany ny hamaritan’ny governemanta mazava ny “amin’ny alalan’ny didy amam-pitsipika, ny fepetra sy ny fomba fiasa amin’ny famosirana fandidiana amin’ny fiheverana ny adidy amin’ny fanajana ny zon’olombelona”. Ho an’ny HCC, ireo fomba fiasa ireo dia “tsy tokony hiteraka fanaintainana na fijaliana mafy, na ara-batana na ara-moraly”, mba tsy heverina ho toy ny fampijaliana sy fitondrana tsy maha olona ary feno habibiana ny fanatanterahana ny sazy amin’izany.
R. Nd.