Mamely ny lefakozatra: misy olon-dehibe, malemy tampoka!

Miverina ary mbola tena mamely ny lefakozatra eto Madagasikara. Tsy mifidy taona. Misy ny olon-dehibe malemy tampoka. Hitohy ny fanaovam-bakisiny faobe amin’ity taona ity.

Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Mialy, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasiona iraisam-pirenena ho famongorana ny lefakozatra.
Nahitana ny solotenan’ny Unicef sy ny Sampandraha­rahan’ ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ny iraka.
Nahatsapa ny delegasiona fa nahavita ezaka i Madagasi­kara teo amin’ny ady ho famongorana ny aretina amin’ny fanao­vam-baksiny ny ankizy. Mbola nanome toky rahateo ny filo­han’ny fikambanana Fitia sady reny mpiahy ny fanaovam-baksiny fa vonona hanohy ny asa amin’ity taona ity, hoy ny solontenan’ny Unicef, Chris­tine Jaulmes. Manentana ha­trany ny ray aman-dreny hanao vak­siny ny zanany izy hisorohana ny fahafatesan’ny ankizy vokatry ny valanaretina. Nana­zava ny solotenan’ny OMS eto amintsika, Laurent Musango, fa mifototra amin’ny dinika ho an’ny fiaraha-miasa miaraka ho
an’ity taona ity ny fihaonana tamin’ny vadin’ ny filohan’ny Repo­blika, hiadiana amin’ny aretina lefakozatra sy ny kitrotro ary ireo aretina hafa mbola ahiana hamely ny ankizy. « Tsapanay fa tena vonona izy ary hitohy koa ny fanohanan’ny mpiray ombon’antoka amin’ny tosika teknika sy vola hoentina manao ny asa, hamongorana ny aretina azo sorohina amin’ny vaksiny », araka ny nambarany ihany.
Natokana ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe ny fanaovam-baksiny faobe notanterahina satria nisy tranga nahitana fahalemena tampoka teo amin’ny olon-dehibe. Efa afaka tamin’ny valanaretina lefakozatra i Madagasikara ny taona 2018 saingy nisy tranga vaovao niseho. Io no nitarika ny fanjakana handray andraikitra.

Vonjy

Partager sur: