Raikitra ity! Efa manomboka ny fampivondronana ny ekipa, hilalao amin’ny fifidianana depiote, ny 29 may 2024. Efa miakatra aty an-dRenivohitra ireo mihevitra ny ho kandidàn’ny antoko manohana ny filohan’ny Repoblika. Mafotaka ny adisisika sy ny ady toerana. Efa mifanipaka an-toerana toa valala an-karona rahateo izy mianakavy.
Tsy mbola misy rahateo ny rafitra mazava sy tokana handrotsahana izay manam-piniavana. Andaniny, ireo milaza fa nanohana tamin’ny fifidianana izay mitaky ny ho loha lisitra. Ankilany, ireo sakaiza mahatoky, tsy nivadi-belirano hatrany am-boalohany mba te hisalotra ny anaram-boninahitra. Iaraha-mahalala rahateo fa manana herijika kokoa ny ho mpandresy izay miravaka ny loko volomboasary.
Raha variana amin’ny ady toerana ny ho loha lisitra ny mpiara-dia amin’ny fitondrana,vonona koa ny mpanohitra. Mibaribary fa hatrany amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena no efa nisy nisabaka. Ankehitriny, mampiseho ampahibemaso fa vonona ny hiady sy haka fandresena ihany koa izy ireo.
Miray hina handrombaka ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena ny mpanohitra. Tanjona ny haka ny toeran’ny lehiben’ny governemanta. Hanova zavatra lehibe amin’ny fanorona politika izany. Afaka ny milalao sy mifampitady any anaty fitantanan-draharaha ny mpifanandrina politika. Mety hitondra fanatsarana amin’ny raharaham-pirenena tokoa ny fanovana tahaka izany raha tanteraka. Tsy adala anefa ny tompom-pahefana. Tsy maintsy mandeha ny kajy sy ny paikady hamehezana ny fanjakana. Mifankahalala toetra, mifankahay ny aty vilany rahateo ny mpitondra sy ny mpanohitra. Andrasana ny fahaizan’ny mpandatsa-bato maneho sy miaro ny safidiny. Ny mpanao politika, mpanao politika foana. Mpifahavalo saingy mpiray vilia hitsetsitra ny vahoaka hatrany.
r.r