Nanolana ny zana-badiny : Raikely naiditra am-ponja

Tratra ilay raikely nahavanon-doza ny 22 febroary teo. Simba tanteraka vokatry ny fanolanana nataon’io lehilahy io ilay ankizivavy 5 taona, tao Mahabe, kaominina Brieville.

Nifampitadiavana nanomboka ny faran’ny volana ja­noary teo, tratra ihany ilay raikely nanolana ny zana-badiny tao Mahabe, kaominina Brie­ville, distrikan’i Tsaratanana, ny 22 febroary teo. Niezaka nanafina ny voina nahazo io ankizivavy vao dimy taona monja io ny fianakaviany. Naharay loharanom-baovao anefa ny zandary miasa ao an-toerana momba io tranga io ka nokarohina ilay lehilahy voalaza ho nahavanon-doza, ny 25 janoary teo. Nanao fanadihadiana lalina ireo mpitandro filaminana ka tratra ilay lehilahy. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana azy fa raikelin’io zaza io ihany izy. Nohararaotiny nanamparana ny filan-dratsiny ilay ankizivavy 5 taona rehefa tsy ao an-tokantrano ilay vadiny.

Nandositra…

Efa nentin’ny fianakaviany notsaboina teny anivon’ny CHRR Ambatondrazaka io ankizy lasibatra io, ny 16 febroary teo. Nentin’ny fianakaviany nandositra anefa ilay zaza noho ny fanitrihan’izy ireo izao tranga izao. Hifam­pitadiavana izy ireo amin’izao fotoana izao. Etsy ankilany, niakatra fampanoavana ilay raikely nahavanon-doza ka notazomina vonjimaika any am-ponja. Efa nisazy momba ny raharaha vono olona tamin’ny taona 2013 ity lehilahy ity, araka ny angom-baovaon’ny zandary miasa ao an-toerana. Marihina, efa mahatratra am-polony ireo mpanolana naiditra am-ponja tao anatin’ny iray volana monja.

Tsiferana R.

Partager sur: