Nanambara ny avy amin’ny antoko Tiako Madagasikara fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana manaraka eo ry zareo. Hanambatra ny heriny izy ireo, araka ny nambarany.
“Handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eny anivon’ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Hiray hina izahay ka hanambatra ny herinay rehetra hiatrehana miaraka an’ireo fifidianana ho avy ireo”. Io ny nambaran’ny filoha mpanorina ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, teny Faravohitra, omaly, nitarika ny amin’ny fampahafantarana ny fijoroan’ny vondrona politika Firaisankina, iarahan’ny Tim, Pro Siteny, HVM, Tsara Tahafina, APM, izay tao anatin’ ny Vondron’ny kandidà teo aloha. Miaraka hanolotra sy hanohana kandidà iraisana amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 29 mey ho avy izao izy ireo.
Misy milaza hoe nisy disadisa tao amin’ny Vondron’ny kandidà. Tsy hoe disadisa, araka ny fanazavany, fa ny hevitra no tsy mitovy. Nilaza ry zareo tao amin’ny Vondron’ny kandidà hoe aleo handeha, dia nanangana ny Kôlektifan’ ny Malagasy ary nanao fanambarana ny amin’izany. Tsy nampitovy hevitra azy ireo ny hoe tokony hiaraha-mitantana ny vondrona. Ny Firaisankina kosa nilaza fa tsy mety ny fiaraha-mitantana, fa tsy maintsy misy mpitarika. Misaraka rehefa tsy miaraka, matoa miantso ny olona rehetra hiaraka aminy ny Firaisankina. Ireo antoko dimy ireo izany ny mpanorina ny Firaisankina, manolotra izay antoko na olona hiaraka aminy. Tomponandraikitra amin’ izany izay manolotra kandidà, ho hitan’ny havany eo raha mivily lalana.
R. Nd.