Rugby – “Lalao Afrikanina, (J.A 2024)” : najanon’ny minisitera ny Makis lahy

Alahelo miharo hatairana ny nandraisan’ny Malagasy Rugby ny filazana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hajanona tsy hiatrika ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana ny Makis, sokajy lehilahy. Nam­baran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny federasiona ta­min’ny mpanao gazety teny Andohatapenaka, omaly, fa noho ny fandaminana dia tsy anisan’ny handeha ny Makis de Madagascar, lehilahy. “Safidy avy amin’ny fanjakana ilay izy. Manoloana izany, mbola miala nenina farany miantso ireo mpanohana, hahafahan’ny Makis mandeha. Tsy fantatra mantsy izay mety ho sazy azo, satria efa vita ny fandaharam-potoana amin’ireo lalao rehetra. An­koatra izay, efa nanao fanamafisana fandraisana anjara ny Malagasy hatramin’ny volana novambra 2023”, hoy hatrany ny nambaran’ny filohan’ny federasiona. Ankoatra izay, mety hisy akony amin’ny tontolon’ny rugby malagasy raha sanatria ka tsy mandray anjara ny Makis, satria hiara-dalana amin’ny fivoriamben’ny Rugby Afrique ny hetsika.

Manoloana izany, miantso vonjy amin’ny Filoham-pirenena ny Makis, hijery vahaolana ho azy ireo.
Manaraka izany, hisy fa­natsarana ny eo anivon’ny Malagasy Rugby ka hapetraka ny tale jeneraly sy ireo vaomiera isan-tokony. Hanom­boka ny alahady 3 marsa ny taom-pilalaovana ka hisantatra izany ny “Super coupe” hifanandrinan’ny FTM sy ny Cosfa.

Tompondaka

Partager sur: