TARATRY ny KANTO

« Hampiaraka in-35…», etsy amin’ny CGM Analakely. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ity « atsam-pitia », izay atolotry ny Fa­ribolana Sandratra ity. Fotoana hiantsan’ireo mpikambana ireo tononkalom-pitia, anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-35 taonan’ny Faribolana.

Ambohimanga Rova – Hisy fambolen-kazo, anio. Nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera manokana ity harem-bakoka iraisam-pirenena ity, hanatontosana izany. Zana-kazo zanatany, izany hoe, mifanaraka amin’ny misy eny an-toerana no hovolena. Tafiditra anatin’ny fikolokoloana ny Rova sy ny manodidina azy rahateo, izay samy voafaritra ho harem-bakoka iraisam-pirenena, ny hetsika.

Hisy ny hetsika maro hotanterahin’ny Mada­gaslam Section Tanà, amin’ity anio ity. Voalohany amin’izany ny atrikasa fanoratana sy fiakarana an-tsehatra, ny maraina, eny amin’ny CGM Analakely, iarahana amin’i System D sy Seth Seven. Eo ihany koa ny seho “Slam session”, eny amin’ny Ralaiboto House Iavoloha, izay misokatra ho an’ny rehetra.

Tanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba, ny 27 hatramin’ny 29 febroary 2024, ny “Cinema for Change”. Hetsika eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, iarahan’ny AFT Andavamamba amin’ny “Cooperation monégasque à Madagascar”. Ny tanora no tena kendrena amin’ny hetsika. Tanjona ny hahatonga saina azy ireo amin’ny zava-misy ara-piarahamonina sy ara-tontolo iainana ankehitriny.

Partager sur: