TETIKASA EAGER: hovatsiana vola 180 tapitrisa dolara

Mitentina hatrany amin’ny 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ny tetikasa « Autonomisation et résilience des filles en Afrique de l’Est” (EAGER). Natao hampiakarana ny tahan’ny ankizivavy hianatra sy hahaleo tena ara-toekarena izany. Hisitraka ny tetikasa ny faritra 16 izay tena mbola hita fa vitsy ny vehivavy manana fihariana ka mila fanampiana manokana. Fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena hampivondronana ireo firenena manana tanjona mitovy amin’ny fanamafisana ny fanabeazana ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy ny EAGER. Anisan’ireo firenena misitraka ny tetikasa voalohany i Madagasikara sy Mozambika. Andry mpanohana ny fandaharana ny Vondrona Afrikanina (UA). Andrasana handray anjara amin’ny andiany manaraka kosa i Burundi, Kaomoro, Repoblika demokratikan’i Congo (RDC), Lesotho, Malawi, Zambia ary Zimbabwe. Tsiahivina fa natao ny 13 oktobra 2023 ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (IDA) momba ny fanatanterahana ny tetikasa. Nankatoavina ny 28 septambra tamin’ny taon-dasa, miaraka amina famatsiam-bola mitentina hatrany amin’ny 832 tapitrisa dolara ny fandaharanasa.

Henintsoa H.

Partager sur: