Vatovavy sy Atsinanana : Hitondra sisan-drahona i Eleanor

Taorian’ny fandalovany tao Atsinanan’i Maorisy afakomaly, nanohy ny diany nianatsimo ilay rivodoza Eleanor. Omaly maraina tamin’ny 11 ora, tany amin’ny 1 160 km atsinanan’i Farafangana no nisy ny ivony. 90 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km isan’ora. Raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana, hita fa mihena miandalana ny heriny. Ankoatra ny rivodoza Eleanor, mitoetra any avaratra atsinanan’ny Nosy ny Zone de convergence inter-tropical ary mbola hita taratra ihany koa ny tsiokan’ny talio ao ava­ratry ny lakandranon’i Mozambika, hoy ny teknisianin’ ny famantarana ny toetry ny andro eny Ampandrianomby.
Momba ny fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka, vinavinaina hanohy ny diany hianavaratra andrefana i Eleanor manomboka halina na androany maraina. Hihena hatrany ny heriny. Tombanana hipaka amin’ny morontsirak’i Vatovavy na Atsinanana ny sisan-drahona miaraka aminy ny fiandohan’ny herinandro manaraka.
Raha ny tombana, antonony ny ny rotsakorana miaraka amin’ilay sisan-drahon’i Eleanor rehefa mipaka amin’ny morontsiraka izy. Harahi-maso izany fironana izany man­dritra ny faran’ny herinandro ary hisy filazana fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana, raha miakatra ny ambana. Tsy misy ny filazana loza mahakasika ity rivo­doza ity raha ny eto Madagasikara.
Tsy misy ifandraisany mivantana amin’i Eleanor kosa ny fampitandremana momba ny rotsakorana betsaka any amin’ ny tapany avaratry ny Nosy, hoy ny fanamarihan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Vonjy

Partager sur: