“Afrobasket 2025”: Laharana fahatelo ny Ankoain’ i Madagasikara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao Le Caire Egypte, ny lalao mandroso, dingana voalohan’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Laharana fahatelo no misy ny Malagasy.

Tamin’ny alalan’ny fandresena tokana azon’ny Ankoay, lehilahy, omaly no nahatafapetraka azy ireo ho eo amin’ny laharana fahatelo. Fifaninanana nanatanterahana ny lalao mandroso amin’ny “1ère fenêtre”, fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Nahazo ny fandresena voalohany sady tokana nanoloana an’ny Centrafrique i Madagasikara, rehefa nandavo azy ireo tamin’ny isa 76 no ho 69. Laharana fahatelo aorian’i Egypte sy i Côte d’Ivoire, araka izany, no misy an’i Madagasikara. Araka ny fandaharam-potoana, lalao fiadian-toerana ihany ity notontosaina tao Egypte, ny 23 hatramin’ny 25 febroary lasa teo, ity. Mbola hisy ny lalao miverina, amin’ny volana febroary 2025. Izay 3 voalohany amin’ny filaharana ankapobeny, aorian’izay no manao “Afrobasket 2025”. Nambaran’ny mpanazatran’ny Ankoay fa tsara ny nahazoana fandresena, omaly, nanoloana ny ekipan’ny Centrafrique, ka nahazoana ny laharana fahatelo. Mila manezaka mafy kosa anefa, amin’ny lalao miverina, raha te ho tsara toerana hiatrika ny Afrobasket. Mila mitandrina amin’ny fanaovana fahadisoana, izay anisan’ny lesoka lehibe mila harenina. “Tsara ho an’i Madagasikara iny fandresena nanoloana ny Centrafrique iny, lalao mafy iny kanefa tena nanao ny faraheriny avy ny mpilalao”, hoy ny nambaran-dRandria­mampionona Elly, Malagasy mpilalao, taorian’ny lalao omaly.
Faharesena 2 sy fandresena 1
Raha hiverenana ny lalao rehetra natrehin’i Madagasikara, faharesena 2 sy fandresena 1 izany no azon’ny Ankoay, tamin’ity fifaninanana natao tany Egypte ity. Ho an’ny andro voalohany, ny zoma teo, tsy afa-bela tamin’ny ekipa kalaza, Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Ankoain’i Madagasikara, na dia tena niezaka nanohitra aza. Hita rahateo ny tsy fahampian’ny traikefa ho an’ny Malagasy raha mitaha amin-dry zareo Ivoariana. Isa 77 no ho 69 no nandavoan-dry zareo an’i Madagasikara. Tsy mbola tafiditra tsara ihany koa ny ekipa malagasy, tamin’ny andro faharoan’ny fifaninanana, ny sabotsy lasa teo. Lalao nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Égypte, ka nivoahan’ity farany ho mpandresy, tamin’ny isa 97 no ho 66, nanoloana an-dry Livio sy Elly Ary Jerry. Marihina fa voahosotra ho mpilalao mendrika i Elly nandritra ny lalao nanoloana ny Centrafrique, omaly, izay nahavita nanoratra isa 22 teny amin’ny solaitrabe.

Mi.Raz

Partager sur: