DAKA AN-JORONY: Stop ny mpanao Shopping

Nampivarahontsana an’ireo federasiona hiatrika ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny nandre fa nahena araka izay azo atao ny atleta hifaninana. Nitaraina tamin’ity fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ity avokoa ny rehetra. Efa amam-bolana maro ny nanomanana ity lalao faratampony aty Afrika ity saingy izao voafetra izao ny toerana ho an’ny atleta.
Resa-bola toy ny mahazatra ny fototry ny olana. Tsy ampy hitondrana ireo mpifaninana ny eo am-pelantanana. Manahy ny rehetra fa sao ho maro noho ny atleta ny ho ao anaty delegasiona. Hameno fiaramanidina ny akamakama sy ny fianakaviana. Olona hitety mpivarotra sy hividy entana fotsiny, hanao Shopping.
Tsy vao izao ny fisian’izany tranga izany fa hatramin’izay nisian’ny lalao goavana, ka nandraisan’ny Malagasy anjara. Stop ny mpanao Shopping. Aleo handeha ny atleta fa hiaro ny voninahi-pirenena ireo.
Tsy vaovao amin’ny sofin’ny maro ny mandre fa tsy misy mpanazatra ny Malagasy atleta rehefa miakatra kianja. Tsy manana mpitsabo ary efa zary lamaody lany andro ny tsy fandehanan’ny mpitsara. Tsy manan-danja izy ireo noho ireo mpanao Shopping.
Na mafy ho an’ireo atleta efa niaritra nandritra ny fanazarantena aza ny hijanona, aleo tsy hihoatra ny isan’ny mpifaninana ny mpanao Shopping sy ny Mpizahatany. Hiara-kitazana ny rehetra, hiara-kihaino ny sofin’ny mpanara-baovao fa raha sanatria ny mpanao Shopping no ho maro, tsy ankitsitsy ny ampamoaka. Aza hitako aza mahita ahy, hanao be marenina ireo mpiantsena sy mpizahatany ka tsy te hahalala fa ny ataony ihany no ataony, izay hidonany any hiafarany.

Tompondaka

Partager sur: