Notanterahina ny zoma teo, tao Analavory, fokontany Antaratasy, kominina ambanivohitra Mahavelona Foulpointe, ny taom-pambolen-kazo 2024, ao amin’ny faritra Atsinanana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore. Velarantany
4 058 ha no voavoly zana-kazo 11 000 fototra nandritra io fotoana io. Nandray anjara tamin’izany sy voasolotena avokoa ny sampandraharaham-panjakana sy orinasa tsy miankina ary ireo fikambanana samihafa, toy ny fikambanan’ny mpanao gazety ao amin’ny faritra sy ny skoto. Nifandimby nandray fitenenena ireo tomponandrakitra isan-tsokajiny. Nilaza izy ireo fa laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Noho izany, hitohy isaky ny distrika ny hetsika, izay handraisan’ireo mpiantsehatra isan-karazany anjara. Tsiahivina fa “mahatratra hatrany amin’ny 85% ireo zana-kazo velona ao amin’ny faritra Atsinanana nandritra ny roa taona nanaovana ny hetsika taom-pambolen-kazo”, hoy ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Tezena Lionel Armando.
Sajo