Nihaona tamin’ny masoivohon’i Inde eto Madagasikara, Atoa Bandaru Wilsonbabu, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny zoma teo, hanatsarana ny tontolon’ ny fitaterana eto Madagasikara sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Voaresaka, nandritra izany, ny fomba hampitomboana ny fiaramanidina sy ny sidina mampitohy an’i Madagasikara sy Inde. Voaresaka eo amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina kosa ny fanomezana fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiantsehatra, hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.
Naneho sahady ny fahavononany hanatsara ny fitaterana an-tanety ny firenena indianina, amin’ny alalan’ny tetikasa “1 000 bus”. Mampanantena sahady ny masoivohon’ Inde fa hiova sy hihatsara ny fitaterana an-tanety. Ao anatin’izany ny fampivoarana sy fanatsarana ny fitaterana an-dalamby izay antoky ny fifamoivoizam-bokatra sy ny mponina any amin’ny faritra maro, indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana, tsy tongan’ny fiara, amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa an-dalamby, toy ny ao Mozambika. Mahomby amin’ ny fitateram-bokatra sy ho an’ny fitateran’olona ny zotra an-dalamby, noho izy mamakivaky toerana maro ahitana ireo karazana vokatra mampiavaka an’i Madagasikara, maneho ihany koa ny hakanton’ny Nosy sy ireo karazan-javamanaina maro isan-karazany.
Henintsoa H.