Anatin’ny fanatanterahana ny vina sy ny drafitrasa tanteraka ny governemanta, ankehitriny. Efa mahazo ny fankatoavana sy fanampian’ny fiankaviambe iraisam-pirenena rahateo izany.
“Zavatra roa lehibe no nodinihina. Ny iray voalohany momba ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE)”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nanazava ny amin’ny fiaraha-midinika voalohany, taona 2024, teo amin’ny governemanta sy ny mpiray ombon’antoka amin’ny teknika sy vola hampandrosoana an’i Madagasikara. Dinika notarihin’ny mpandrindra maharitry ny asan’ireo sampandraharahan’ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sanogo, teny Mahazoarivo, ny faran’ny herinandro teo. Amin’izao fotoana izao, manomboka amin’ny fanatanterahana ny PGE i Madagasikara, ary manamafy ry zareo rehetra nidinika fa mifandraika amin’ny zavatra tena tadiaviny sy izay hataony ny PGE. Vonona hanampy amin’ny fanatanterahana an’izany, araka izany, izy ireo.
Nodinihina ihany koa ny amin’izay hanatanterahana fifidianana depiote sy kaominaly. Anisan’ny nitondra tantsoroka tamin’ny fanatanterahana fifidianana ry zareo, toy izay efa nataony tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Misy ny kitapom-bola fanampian-dry zareo tamin’ny fanatanterahana izany. “Mbola hanampy koa izy ireo mba hisian’ny tontolo milamina amin’izay firosoan’i Madagasikara amin’ny fifidianana izay”, hoy ny Praiminisitra. Misy ny fahavononan’izy ireo hanohana hatrany ny tetiandrom-pifidianana. Amin’ny maha firenena demokratika an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no ahazoana manome fahefana izay hisolo tena ny vahoaka.
R. Nd.