Fitaleavam-paritra- MJS : misokatra ny fanaterana antontan-taratasy

Taorian’ny fanafoanana ny didim-panjakana nanendry ireo talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, misokatra ny fanaterana antontan-taratasy manerana ny Nosy. Voakasik’izany avokoa ny ankamaroan’ny faritra, toa an’Analamanga, Amoron’i Ma­nia, Alaotra Mangoro, Ana­lan­jirofo, Melaky, Matsiatra Am­bony, Sava, Vatovavy, Fito­vinany, Vakinankaratra, Dia­na, Sofia, Ihorombe, Menabe, Boeny, Betsiboka, Itasy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy ary Atsinanana. Araka ny fanazavana avy eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, natokana ho an’ny tanora ity tolotr’asa ity satria tiliana manokana ireo manana ny mari-pahaizana lisansa na ny bac+3. Ankoatra izay, mifanaraka tanteraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanajakana ny andraikitra sahanin’izay talem-paritra hisahana ny tanora sy ny fanatanjahantena eo. Voalohany, ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, manampy izany ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Tsiahivina fa hatramin’ny alarobia 28 febroary izao no fara fandraisana ny antontan-taratasy ho an’izay liana amin’ity tolotr’asa ity.

Mi.Raz

Partager sur: