Haneho ny maha izy azy: hiaka-tsehatra ny tarika Iniah

Hiverina hiaka-tsehatra indray ny tarika Iniah, mivoy ny mozika mafana, amin’ny 2 marsa izao, manomboka amin’ny iray ora tolakandro, rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana naharitra. Hatao etsy amin’ny Le pavé Anta­naninarenina ny fampise­hoana “dejeuner concert” karakarain’izy ireo, mitondra ny lohateny hoe: “embona sy kalo”. Tanjona ny hampahafantarana ny vokatra efa novolavolaina hatramin’izay sy ireo vazo vaovaon’ny tarika. Fo­toana hihirana ny kalon’ny fahiny hafa tsy tontan’ny ela. Hizara telo lehibe ny fampisehoana, amin’ny ankapobeny. Hohiraina amin’ny fomban’ny tarika ireo hira tsy tontan’ny ela, izay nankafizin’ny olona hatramin’izay. Ho an’ny tapany voalohany, hisongadina amin’ izany, ny kalon’ny fahiny. Hia­katra an-tsehatra ao ihany koa ny mpanakanto hafa nasaina, mandritra ny tapany faharoa. Hihira sy hitondra ny vazo vao­vao novokariny kosa ny tarika Iniah, amin’ny tapany fahatelo. “Atao izay hahafapo tanteraka ny mpankafy sy ny olona ho avy hanatrika ny fampise­hoana”, hoy i Eric, mpitendry eo anivon’ny tarika. Indroa miantaona ny fanomezana « dejeuner » ho an’ny mpankafy ho avy ao, raha ny fanazavana nanoloana ny mpanao gazety tetsy 67 ha, ny sabotsy lasa teo. Natao ho zakan’ny rehetra ny fidirana amin’ny fampisehoana. Izay misy ny natao ho an’ny SVIP sy ny VIP. Hitohy hatrany aorian’io ny fampisehoana hafa ataon’ny tarika ary ezahina ho tsara avokoa izany.

Mino

Partager sur: