Lany ho filohan’ ny fikambanan’ireo manampahaizana ambony, DHEA, nivoaka avy amin’ny sekoly momba ny fitantanan-draharaha (Enam), Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, izay avy amin’ny andiany fahatelo.
Tomponandraikitra vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy miankina eto amin’ny firenena ny DHEA. Vonona hitondra ambony ny fanevan’ny fikambanana ny filoha sy ireo birao voatendry niaraka taminy. Nohamafisin’ny DHEA fa olona efa manana ny toerany eo amin’ny sehatrasa samihafa izy ireo no nahazo fiofanana avo lenta indray kanefa matetika hadino fa ny mpanao politika no mahazo toerana.
Manodidina ny 800 ireo andiany 6 nivoaka tamin’ny DHEA izay efa samy mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena avokoa.
Anatin’ny fiofanana avo lenta voafehin’izy ireo ny momba ny fitantanan-draharaham-panjakana (Administration Publique AP), ny fitantanana ara-bola (Administration Financière AF), ny momba ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena (Diplomatie et rélation Internationale DRI). Fa eo koa ny mahakasika ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera (Technologie de l’Information et de la Communication TIC), nalalinina tao amin’ny sampam-piofanana “Expertise” teo anivon’ny Enam.
Tatiana A