INDRAY MIJERY

Mpianatra ho infirmiera anesthésiste avy amin’ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nomena fampiofanana momba ny fandraisana an-tanana mahakasika ny lalan-drivotra. Notonto­saina teo anivon’ny CHUGOB, niarahana tamin’ny mpisehatra avy ao amin’ny Association Solidaire des Infir­miers en Anesthésie et Réanimation de Madagascar ny hetsika.

Misy alondrano aterak’ilay sisan-drahona nave­lan’ny Eleanor ka hanonjabe ny ranomasina. Na­hazo fampitandremana miloko mavo ny morontsirak’i Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy, An­droy, Atsimo Andrefana ary Mahanoro. Manan-kery anio sy rahampitso ny filazana eo Mahanoro hatrany Taolagnaro sy eo Morombe hatrany Taolagnaro.

Nidina tao Antsirabe ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo, nijery ny fomba hanafainganana ny fametrahana ny oniversiten’i Vakinankaratra. Ankoatra ny fanorenana trano fatoriana izay efa vita tanteraka, misy koa fanorenana efitrano fianarana sy birao fiasana eny Vatofotsy ka ny 70% amin’ny asa no efa vita.

Andro faharoa amin’ny “Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” notanterahina tetsy amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) sy ny Centre de Formation professionnelle (CFP) Ampasampito, ny sabotsy lasa teo. Hotohizana isaky ny sabotsy ny “Tagnamaro” eo amin’ny LTP sy CFP Ampasampito mandrapahavita ireo asa fanatsarana marobe.

Partager sur: