Janoary 2024 : nampidi-bola 234,4 miliara Ar ny fadintseranana

Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fadintserana malagasy. Mitotaly 234,4 miliara Ar ny vola nampidiriny ao anatin’ny kitapombolam-panjakana, ny volana janoary.

Tsara ny vokatra ho an’ny fadintserana malagasy. Ny volana janoary teo, mahatratra hatrany 234,4 mi­liara Ar ny vola nampidiriny
ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra ho 243,3 miliara Ar izany vola izany nanomboka ny 13 febroary teo ka ny 77,8 miliara Ar dia vola azo avy amin’ny solika, raha toa ka azo avy amin’ireo vokatra samihafa kosa 165,5 miliara Ar, araka ny tatitra ao amin’ny tranonkalan’ny fadintseranana malagasy. Ho an’ny varotra ivelany, nampidi-bola hatrany amin’ny 1 362,1 miliara Ar na 297,6 tapitrisa dolara, tamin’ ny alalan’ny fanafarana entana avy any ivelany, ny fadin­tseranana malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampandehanan-draharahan’ny orinasa afa-kaba sy ireo asa tsy handoavan-ketra. Voalaza fa mahatratra 10,8 miliara Ar ireo entana nafarana tsy nandoavan-ketra nanditra io vanim-potoana io.

LFI 2024

Manodidina ny 4 687 mi­liara Ar ny vinavinan’ny haban-tseranana hampidirina amin’ ity taona ity, araka ny voalaza ao anatin’ny volavolan-dalana mifehy ny tetibola (LFI) 2024. Ho azo avy amin’ny solika ny ¼ amin’izany, raha toa ka amin’ ny alalan’ny fanafarana vokatra samihafa kosa ny 75%. Vinavinaina hiakatra ha­trany amin’ny 1 143 300 000 Ar ny “droit de douane”, mitetina 2 375 500 000 Ar ny tataon-ketra (TVA) amin’ny fanafa­rana entana, hoy hatrany ny vinavina ao anatin’ny volavolan-dalana mifehy ny tetibola 2024. Nambara fa hampiaka­rina 316 300 000 Ar ny haba amin’ny solika raha toa ka manodidina ny 850 300 000 ny tataon-ketra azo amin’izany ary 1 600 000 Ar ny “droit de navigation». Mitotaly 4 687 000 000 Ar ireo rehetra ireo, hoy hatrany ny fanaza­vana voaray

Henintsoa Hani

Partager sur: