Kaominina Androhibe: miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

Manodidina ny 300 ireo tantsaha nisitraka zezika 300 t avy amin’ny orinasa tsy miankina ao amin’ny kaominina An­dro­hibe Antsahadinta, distrikan’Atsimondrano, omaly. Avy amin’ny fikambanana matihanina ireo tantsaha ireo ary nisitraka fampiofanana momba ny fambolena sy ny fitantanam-bola ihany koa.
“Porofon’ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny fanehoana fiaraha-mientana hisian’ny fampandrosoana ety ifotony toy izao”, hoy ny ben’ny Tanàna, Ra­kotomalala Fabrice.
Fanatrarana ny tanjona napetraky ny fanjakana hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay miainga eny amin’ny tantsaha mpamokatra ihany koa ny anton’ny hetsika.
Niarahana nanagana tamin’ny solombavambahoaka an’Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, ny fikambanan’ny tantsaha Fitaratra izay nisitraka zezika, omaly, io. Efa nisy ny fizarana angadin’omby sy kibota ahafahan’izy ireo manatsara ny vokatra. Naneho fahavononana hatrany ny tale jeneraly, Razafimahefa Tahiana, hanolo-tanana ireo tantsaha ao amin’ny distrikan’Atsimondrano.

Tatiana A

Partager sur: