Mahatonga hiantra ny hoe mahantra. Ahoana ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo amin’ny tsirairay, isan-tokantrano, isam-paritra, isam-pirenena. Tsy afa-bela amin’ny trosa sy fanampiana, ohatra, ny tany mahantra? Na tsy vita ny manapa-kevitra fa mila fahasahiana, fijoroana, fahavononana, fiaretana. Nahoana, ohatra, no hoe manana harena voajanahary tsy hita pesimpesenina na ambonin’ny tany na an-kibon’ny tany ny firenena, nefa mahantra ny vahoaka? Saika ny hafa mandrakariva no mitavana izany, na ankolaka na mivantana, fa tsy misitrika inona ny tompony mangataka atiny.
Anisan’ny zava-dehibe sy maika amin’ny ady amin’ny fahantrana izay? Mitrosa sy mahazo fanampiana hatrany, nefa tsy hita loatra izay fihatsaram-piainan’ny vahoaka ifotony, ohatra. Inona no hatao? Na izany no tena mila fihaonambem-pirenena, fakan-kevitra, firotsahana an-tsehatra… Ahoana, ohatra, no hahazoana mihetsika amin’ny herin’ny tena araka izay mety ho vita vao mitavandra any amin’ny hafa? Na trosa io, na fanampiana. Hahagaga ve, ohatra, raha miforitra sy mionona lava amin’izay misy sy iainany ny hoe mahantra? Any amin’ny fisainana no manahirana na mahantra?
Amin’izao, zava-dehibe ny fiankinana amin’ny herin’ny tena. Ho vita sa hambohambo ihany? Efa manomboka, ohatra, ny sehatry ny indostria: fampandrosoana ifotony, mivantana, mivaingana. Izay misy eo amin’ny tena no ihetsehana. Misy ny azo ihetsehana hialana amin’ny fahantran’ny isam-batan’olona amin’ny famoronana asa, ny isan-tokantrano sy isam-paritra amin’ny famokarana… Ny asa no mahavelona sy mampandroso. Ahoana ny hihazakazahana sy hifaninanana amin’ny famoronana asa hifanohanana, fa tsy izay hiankinan-doha lava amin’ny any ivelany? Ao anatin’ny fifampitokisana, fahamarinan-toerana…
R. Nd.