Nahatrarana rongony mahery vaika “cocaïne” milanja 64,32 kg ireo telo lahy voasambotry ny polisy tao Androranga Toamasina, ny 19 febroary teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hanaparitaka io kazaran-java-mahadomelina mahery vaika io tao an-toerana. Nidina ifotony nanao ny fisavana izy ireo. Tratra tao amin’ny toerana fametrahana entana tao Androranga ny fonosana miisa 57 nisy vovo-javatra fotsy. Notsirihina manokana ireo vovo-javatra ireo ka voamarina fa rongony mahery vaika “cocaïne” izany. Nohazonina avy hatrany ireo telo lahy tompon’ny trano. Nogiazana ny entana.
Amina miliara
Tombanan’ny polisy nanao ny famotorana ho 19 296 000 000 Ar ny vidin’ireo rongony mahery vaika sarona tao Toamasina ireo. Toarian’ny fahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana, nodorana avokoa ny “cocaïne”. Niakatra fampanoavana ireo telo lahy ny 22 febroary teo. Nohazonina vonjimaika eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy ireto farany. Marihina, efa miparitraka saika manerana ny Nosy io zava-mahadomelina io, amin’izao fotoana.
Tsiferana R.