Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena «Pureplay Football League (PFL)», taranja baolina kitra, diviziona voalohany. Ady sahala, 1 no ho 1, no nisarahan’ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Cosfa miaramila. Lalao notontosaina teny amin’ny Kianjan’i Mahitsy, ny sabotsy teo.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, samy tsy nisy nitoko ny andaniny sy ny ankilany teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. 13 minitra nanombohan’ny fidirana faharoa, izany hoe, minitra faha-58, nahatafiditra baolina i Lafatra, mpilalaon’ny Cosfa. Niezaka nanenjika isa ny Uscafoot ka tany amin’ny minitra faha- 86, nosahalain’i Tony, mpilalaon’izy ireo ny isa teny amin’ny solaitrabe.
Nirava sahala, tsy misy nitoko, 0 no ho 0, ihany koa ny fihaonan’ny Elgeco sy ny Inate FC Rouge. Fifanandrinana natao tao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass.
Ankoatra izay, nomontsanin’ny As Fanalamanga tamin’ny isa mevasatra 5 no ho 0 ny Tsaramandroso Boeny, TFFC, tany Ambatondrazaka. Tsara marihina fa izay tompondaka amin’ity PFL ity, tsy maintsy miatrika fifaninanana Afrikanina “Ligue des Champions de la Caf”, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred.
Fitia Randria