Rakoto Andrianirina Fetison : “Mihemotra tsikelikely ny demokrasia”

“Mihemotra tsikelikely ny demokrasia eto Madaga­si­kara. Mampatahotra izany satria mandroso tsikelikely amin’ny fanjakana manao didiko fe lehibe isika, raha sanatria mitohy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny fisamborana ny filohan’ny Anteni­mieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny foko malagasy (ARFM), Rakotondrasoa Noël, teny Mahamasina, izay efa navotsotra.
“Isika Malagasy manana kolontsaina ny amin’ny hoe ny tsiny sy ny tody. Mbola mino an’izany ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra ireo raiamandreny ara-drazana. Taha­ka ny kristianina matahotra an’Andriamanitra ny fatahorany ny tsiny sy ny tody”, hoy kosa izy ny amin’ny fikasan’ny ARFM hanao fomba eny Mahamasina. Mieritrereritra, angamba, ry zareo fa noho ny fahantrana amin’izao fotoana izao, sao sanatria misy tsiny. Koa mihevitra hanala izany ry zareo amin’ny fitaizana sy fomba malagasy. Nefa fanehoan-kevitra izany. Tsy azo lazaina hoe fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena na ny fitondram-panjakana izany. Fangatahana no nataon-dry zareo, ary anjarany ny manamarina izay ataony. Tsy mety amin’ny firenena malagasy izay mandala ny lamila demokratika kosa ny fampisamborana sy ny tsy famelana ny olona haneho hevitra sy hivory toy izany.

R. Nd.

Partager sur: