Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML) ny zoma lasa teo, teny Andohatapenaka, fa telo ireo fifaninanana hatrehin’izy ireo, ho an’ny volana marsa. Ankoatra ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny faha 8 hatramin’ny faha 23 ny volana ho avy, mbola hisy fihaonana iraisam-pirenena roa, ao anatin’ny fandaharam-potoana.
Anisan’izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hotontosaina any Alexandrie Egypte, ny 14 – 19 marsa sy ny fifanintsanana olimpikan’ny kaontinanta Oceanie, hatao any an-toerana ny 22 hatramin’ny 24 ny volana. «Dingana tsy maintsy hatao ireo fa tsy misy azo dinganina raha te hikatsaka ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika», hoy Raveloson Mamitiana.
Hatreto, atleta 3 mirahavavy ny manana herijika handrombahana izany dia i Victorine (50 kg), sy i Emma (53 kg) ary i Malala (57 kg). Izy ireo izay ao anatin’ny heriny tanteraka. Nomarihiny fa misy koa ireo ao amin’ny sokajy lehilahy fa mbola ao anatin’ny fijerena izany ireo teknisianina, raha tsy hilaza afa-tsy i Mbola (74 kg).
Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tolona fa manana olana ny FML amin’ireo atletan’ny Cosfa noho ry zalahy miofana amin’ny maha miaramila azy, izay efa nanaovana fangatahana ary miandry ny valiny, ankehitriny. Ho fanomanana ireo lalao rehetra ireo, nanafatra an’i Frederic Rubio ny FML hanampy amin’ny fanomanantenan’ny atleta. Manao antso avo izy amin’ny fanampiana avy amin’ny fanjakana fa miady irery ny federasiona, indrindra ny lafiny ara-bola.
Torcelin