Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba, eto amin’ny faritra faha-7, taranja Volley-ball (CCZone 7), andiany faha-28.
Nanomboka ny sabotsy lasa teo ny andro voalohany amin’ny fifaninanana CCZone 7, tanterahina eto Madagasikara. Lalao 12 avy hatrany no nitranga tamin’io sabotsy io, izay notsinjaraina tamina kianja 3, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Kianja mitafon’ Ankorondrano ary teny amin’ny kianjan’Ankatso. Nisantatra ny lalao, ny fifanandrinana teo amin’ny ekipan’ny Saint-Leu, La Réunion sy ny ekipan’ny Mama, Madagasikara. Ratsy fanombohana, tamin’io lalao voalohany io, ny ekipa malagasy ka nolavoin’ny Saint-Leu tamin’ny seta 3 no ho 1. Taorian’izay nomontsanin’ny ekipan’ny Pamplemousse avy ao Maorisy tamin’ny seta 3 no ho 0, ny ekipan’ny Premium avy ao Seychelles.Toraka izany koa ny fihaonana teo amin’ny TGV sy ny PI Foie, izay nisaraka tamin’ny seta 3 no ho 0 ka nandresy ny TGV. Ratsy ihany koa ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy Bi’As, izay resy indroa nisesy, ny sabotsy lasa teo sy ny omaly. Nolavoin’ny Saint Denis, La Réunion, tamin’ny seta 3 no ho 0 izy ireo, ny sabotsy teo ary mbola niondrika nanoloana ny SDOVB La Réunion, tamin’ny seta 3 no ho 0 ihany koa, omaly alahady. Ekipa malagasy anisan’ny nahazo fandresena kosa ny ekipan’ny ASI, nandresy ny Vb2CO, La Réunion, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fandaharan-dalao, mbola hitohy, anio, amin’ny andro fahatelo ny fifanintsanana isam-bondrona ary ny alakamisy izao no hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny fifaninanana CCZone 7, andiany faha-28, tanterahina eto Madagasikara.
Mi.Raz