Nifanenjehan’ny polisy, voasambotra teny Andohalo, ny 24 febroary teo tamin’ny 4 ora tolakandro. Vehivavy iray nandalo no lasibatr’io tontakely io. Lasany ny findain’io mpandalo io. Niantso vonjy avy hatrany ity farany. Nahare ny zava-nisy, nanara-dia ilay mpanendaka ny polisy niasa tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fanendahana. Tratra ilay lehilahy. Nalaina teny aminy ny finday ka naverina amin’ny tompony. Efa mpanao io asa ratsy io ity mpanendaka tratra ity. Natolotra ny fampanoavana io mpanendaka io ka naiditra am-ponja.
Tsiferana R.