Cross country : nanjakan’ny Bebaoty ny hazakazaka

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Bout de piste Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga “cross country”, sokajy rehetra ho an’ny taranja atletisma. Nanjakan’ny Bebaoty ny hazakazaka 10 km, teo amin’ny “sénior”, lehilahy. Voalohany i Elysé Heriniaina, avy amin’ny Cosfa, nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny 33 mn 21 s 36 %. Mbola mpihazakazaka avy amin’ny tafika hatrany ny faharoa, tamin’ny alalan’i Fidèle Haveloma, nahavita ny halavirana tao anatin’ny 34 mn 12 s 36 % ary tonga fahatelo i José Rabemanankevitra, atletan’ny Cospn, 36 mn 26 s 83 %.

Tsy nisy afa-tsy roa ny nandray anjara teo amin’ny vehivavy, i Nivonirina Lucie, avy amin’ny Ascut, izay nandrombaka ny laharana voalohany rehefa nahatontosa izany tao anatin’ny 48 mn 24 s 6% ary i Tantely Tsiaro, avy amin’ny TAF. Tsy tafiditra tao anatin’ny fifaninanana moa i Lucie, noho izy tsy avy amin’ny ligin’Analamanga. Dingana manaraka ny fifaninanam-pirenena hatao any Ambatondrazaka, ny 9 marsa ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: