Noraisin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny Ampahibe, omaly, ireo manamboninahitra jeneraly 18 mirahalahy avy amin’ny Tafika malagasy. Nandritra izany no nametrahany ny galonan’izy ireo, sy nanaovany teny firariantsoa mifandraika amin’izany.
Notsindriny mazava koa fa natao hiaro ny Andrimpanjakana mijoro izy ireo, ary tokony ho modely eo anatrehan’ny firenena sy ny vahoaka, indrindra eo amin’ny fitondrantena. Tokony ho fitaratry ny fanjakana tsara tantana lavitry ny kolikoly, hoy ihany izy, ny manamboninahitra jeneraly, ka afaka hampandroso marina ny firenena sy miady amin’ireo ambana rehetra mety hisakana ny tsy fahatomombanan’izany. Taorian’izany dia nisy ny fanolorana ireo rehetra nahazo ny laharam-boninahitra, na avy amin’ny Tafika Malagasy, na ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Nandritra izany fotoana izany no nisaoran’ny minisitra roa tonta ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, nankato ny fanendrena sy mametraka fitokisana lehibe hatrany amin’izy ireo. Nampahatsiahivina ny andraikitra miandry ireto nahazo ny laharam-boninahitra eo anatrehan’ny firenena ireto mba hipakan’ny vokatry ny ezaka ataon’izy ireo ho azo tsapain-tanana amin’ny fiainan’ny vahoaka satria ny fampiakarana galona ho an’ny manamboninahitra dia sady mitaky andraikitra misimisy kokoa eo amin’ny fitarihana sy fanatanterahana ny asa fiarovana, no mariky ny fankasitrahana rahateo noho ny zava-bita. Miisa roa no nahazo ny laharam-boninahitra jeneraly « Général de Corps d’Armée” dia ny MFA, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Miisa 11 mirahalahy ireo “Général de Brigade » nisondrotra ho « Général de Division », ka ny fito amin’ireo manamboninahitra jeneraly avy amin’ny Tafika Malagasy raha efatra kosa avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Miisa 17 koa ireo manamboninahitra kôlônely nahazo ny laharam-boninahitra jeneraly « Général de Brigade » ka 11 avy amin’ny Tafika Malagasy ary enina avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.
Jean Claude