Hanolo-tanana ny fanjakana malagasy ny Vondrona Eoropeanina (UE) amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Sahofika sy Volobe. Vonona hamatsy vola ny tetikasa izy ireo.
Naneho ny fahavononany hanohana ny tetiksa Sahofika sy Volobe ny Vondrona Eoropeanina (UE) tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle Delattre Burger, omaly. « Manantena aho fa tsy ho ela dia hikaondoha hiaraka amin’ny governemanta sy ny vondrona samihafa izahay amin’ny fananganana ny tohodranon’i Volobe », hoy izy tetsy Akorondrano.
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny tontolo maha olona ny herinaratra ka mila jerena akaiky ny fanatanterahana ny tetikasa. Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny tetikasa Volobe. Naneho ny fahavononany hanohana izany ny UE na mihemotra aza ny fanatanterahana izany. « Hananosarotra ny fanatanterahana ny tetikasa, mety haharitra hatrany amin’ny dimy taona izany. Tsy atao sakana anefa ny faharetany, tanjona ny hisitrahan’ny mponina ny tombontsoa avy amin’izany », hoy hatrany ny fanazavany.
Ankoatra ny tetikasa Volobe sy Sahofika, notsiahivin’ity diplomaty ity ny nilazany tamin’ny 2019 fa nikasa hanolotra 26 tapitrisa Euro ihany koa ny Vondrona Eoropeana amin’ny fampifandraisana ny tambajotra fitsinjarana herinaratra an’ Antananarivo (RIA) sy ny tambajotran’i Toamasina (RIT).
Famatsiam-bola
Manodidina ny 20 tapitrisa euros ny tohana kasain’ny Vondrona Eoropeana hatolotra ny fanjakana malagasy amin’ireo tetikasa roa ireo : 7 tapitrisa ho an’ny Volobe raha toa ka natao ho an’ny tetikasa Sahofika ny 13 tapitrisa euros. Ankilan’ izay, «mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina ny Banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola (BEI) amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa na mbola tsy voafaritra aza ny tohana omeny », hoy hatrany ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina. Nilaza Isabelle Delattre Burger fa tsy mbola fantatra mazava ny fotoana hanatanterahana ireo tetikasa hanampy amin’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara ireo fa miankina hatrany amin’ny fifampidinihana.
Henintsoa Hani