Fanabeazana olom-pirenena: Nisokatra ny fahitalavitra sy radio “web”

Mankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny sekoly ambony momba ny fampandrosoana sy ny fiarahamonina (ES.DES). Tsangambaton’izany ny nisokafan’ny fahitalavitra sy ny radio an-tambajotra, natolotra tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo.Tombony ny hahafahan’ny rehetra manaraka izany amin’ny alalan’ny fifandraisana niomerika sy ao anatin’ny tambajotra. Miompana amin’ny fanabeazana sy ho fitaizana ny olom-pirenena rehetra ny fandaharana hita ao. Efa nanaraka ny fiofanana eo amin’ny asa fanaovan-gazety avokoa ireo mpiasa mamelona sy misehatra amin’izany.
Ankoatra izay, navoaka sy notolorana diplaoma teny an-toerana ihany koa ireo mpianatra 40 mahery niofana tany amin’ny faritra Bongolava.Nanaraka fiofanana ary nahavita “licence” sy “master” izy ireo. “Tanjona ny hitarihina ny ankizy ho any amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny sosialy eto amin’ny firenena”, hoy Manjaka Rakoto David, tale jeneralin’ny sekoly. Mampiavaka ity sekoly ambony ity koa ny firosoana amin’ny fiofanana mahakasika ny haitao ara-kajy mirindra.

Mino

Partager sur: