Nohavaozina ny taona 2005 ny lalàna mahakasika ny fananan-tany. Zava-baovao amin’izany ny fametrahana ny karatany, omen’ny kaominina, manampy ny titra.
Nanamarika anefa ny ao amin’ny Sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif), fa na eo aza ny lalàna, tokony hojerena mihitsy ny lafiny zava-misy sy ny rafitry ny fiarahamonina. Anisan’izany ny tokony hanomezana lanja ny kijana, na firaofana ho an’ny biby fiompy, indrindra ny omby, ny ondry sy ny osy, izay mila velaran-tany midadasika. Izany hoe, mila mivoatra arakaraka ny toetrandro ny fametrahana ny lalàna, fa tsy voatery hiankina amin’ny lalàna fony fanjanahantany sy ny fanjakana malagasy nandova izany taty aoriana, ka miantehitra amin’ny taratasy titra sy ny karatany, napetraka nanomboka ny taona 2005. Hamoaka fehin-kevitra mahakasika izay tokony hametrahana lalàna momba ny fahafahana misitraka ny zo amin’ny velaran-tany natokana ho an’ny firaofana na kijana izay ny Sif atsy ho atsy.
Anisan’ny navoitra nandritra ny fampiofanana ho an’ny mpanao gazety avy any amin’ny faritra valo (Analamanga, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Menabe, Ihorombe, Anosy, Atsimo Andrefana) io lohahevitra io. Nomena tombondahiny ny avy any amin’ny tapany atsimon’
ny Nosy, satria maro ny velaran-tany, hataon’ny mpiompy ho firaofana na kijana, nefa tsy manana sata ara-dalàna eo anatrehan’ny fanjakana. Amin’ny maha ao anatin’ny rafitra Fiarahamonim-pirenena (OSC) azy, manamarika ny Sif, fa mila jerena ny zava-misy any ifotony, fa tsy tokony ho henjanina araka izay lalàna efa misy eo ny zava-drehetra.
Njaka A.