Fanaovan-gazety: fiofanana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fananan-tany ary ny miralenta

Natao ny 20 hatramin’ny 23 febroary 2024 teo, tany Toliara, ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety avy any amin’ny faritra valo. Nifantohana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fananan-tany ary ny miralenta. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fampiharana avy hatrany.

Mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro daholo, ankehitriny, ny lafin-javatra rehetra. Izay no nahatonga ny vovonana Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (Sif), tohanan’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampadrosoana (AFD), nikarakara fiofanana ho an’ny mpanao gazety, nanamafisany ny fahaiza-manaony avy.
Ho an’ny fananan-tany, nohazavain’i Lahatra Harijery, avy amin’ny Sif, fa ny titra sy ny karatany irery ihany no
eken’ny lalàna manankery. Tsy porofo, fa anisan’ny dingana mankany amin’ny fitompoan-tany ny karazana taratasy sa­mihafa, toy ny fifampivarotana, ny fandovana, sns.
Endriky ny fiovan’ny toetr’andro ny fiakaran’ny hafanana maneran-tany, mahatonga ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina, ny fiovan’ny fotoam-pamokarana, ny tsy firindran’ny toetr’andro, sns. Miova ny firafitry ny rohy voahary sy ny tontolo mananaina, ny fahasalamana sy ny hafa rehetra.
Miantraika any amin’ny rafi-piarahamonina isan-tsokajiny ireo, toy ny lafiny famokarana, ny fomba fitompoana na ny fampiasana ny tany miafara any amin’ny fifindra-monina. Eo koa ny zon’ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina, izay tsapa fa tsy tena voahaja eto amintsika amin’ny ankapobeny.

Fizarana traikefa
Nizara ny traikefany, manodidina ny rohy ifandraisan’ireo lohahevitra ireo ny mpanao gazety, toa an’i Njaka Andriante­fiarinesy (Taratra). Fanadihadiana nataony tany amin’ny faritra arovana Maromizaha, faritra Alaotra Mangoro, mahakasika ny fahombiazana nataon’ny Gerp sy ny VOI hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny fandrindrana ny fananantany ary ny fanohanana ny fiharian’ny fikambanam-behivavy.
Niompana tamin’ny fiarovana ny karazana angaka, ny gana fotsy maso sy ny biby samihafa, any Bemanevika, faritra Sofia, kosa i Nirina Claude (Delire Madagasikara). Nizara ny fahalalany mahakasika ny fomba fanoratana lahatsoratra an-gazety fohy, mazava, nefa mafonja (Storytelling) kosa i Fah Andria­manarivo, mpanao gazety mahaleotena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: