Fandraisana ny « volantany »: manaiky ny famindrana ny fasana ireo tompon-tany

Nahafaly ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ny filazan’ny fanjakana, farany teo, fa ho maro ny tetikasa mahakasika ny harena an-kibon’ny tany eto Madaga­sikara. Manantena ny hiverenan’ny tetikasa Base Toliara ny any an-toerana. Anisan’ny miandry izany koa ny Vao­miera misahana ny famindran-toerana ara-dalàna na « Re­settlement working group » RWG ao amin’ity orinasa ity, hiandraikitra ny famindrana sy ny fanonerana ara-bola (vo­lantany) ny olona voakasiky ny tetikasa PAPS.
Nampahatsiahivin’i Maha­solo Natsiry, avy amin’ny RWG any Toliara I, fa misolo tena ireo tompon-tany sy tompom-pasana ity vaomiera ity, manelanelana ny vondron’olona ifotony sy ny orinasa. « Andraikiny ny manara-maso ny fandoavana ny volantany sy ny famindrana ny fasana », hoy i Tovonay Niriko, solontenan’ny RWG any amin’ny kaominina Tsianisiha.
Efa nanomboka tamin’ny taona 2015 ny fifampidinihana, fony mbola ny orinasa Toliara Sands. Nohenoina ny mponina sady nohajaina ny lalàna malagasy, ary niafara tamin’ny fifanarahana izay samy nohajain’ny roa tonta.
Niray feo Rtoa isany, Pelazy Victorine (Tsiafanoke Tsianisiha) sy Mboampelavao Bernadette (Marofitiky Maro­miandra), fa « antenainay fa hisitraka tsy ho ela ny zonay izahay, araka ny voarakitry ny fifanarahana, ary mangataka ny hanafainganana izany… Ha­nasoa ny taranakay ny fisokafan’ny Base indray ».
Nitsotra i Tsimitamby (RWG Toliara II), fa resy lahatra izahay fa samy hahita ny tombontsoany ny rehetra, toy ny fanjakana, ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, indrindra ny mponina voakasiky ny tetikasa. Manamafy ireo avokoa ny hafa, toa an’i Liasy (Ankilimalinike), Balakay Naoky sy Lahady tompon-tany any Benetsy.

Njaka A.

Partager sur: