Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 29 febroary 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika “Cinema for Change”, karakarain’ity ivontoerana ity sy ny Cooperation Monegasque à Madagascar. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Ny tanora, indrindra ireo misehatra amin’ ny tontolon’ny sarimihetsika, no tena kendrena amin’izany. Tanjona ny hahatonga saina azy ireo amin’ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny fandinihana sy ny fikaonandoha ny amin’ny hoavy.
Ambohipihaonan’ny mpankafy sarimihetsika indray ny eny an-toerana, mandritra ny telo andro. Horonantsary fohy maro miresaka ny tanjon’ ny fampandrosona lovainjafy no ho hita amin’izany. Aorian’ ny fandefasana ny sarimihetsik’ireo izay mandray anjara ao anatin’ny fifaninanana, hisy ny adihevitra arahina fanentanana, eo ihany koa ny fifanakalozan-kevitra, momba ireo horonantsary efa nandeha. Ankoatra izay, ny mpijery sy ny mpanatrika no hifidy izay mendrika amin’ireo horonantsary izay efa hita.
Amin’ny maha hetsiky ny Alliance française azy, toerana maro no efa nandalovan’izy ireo, anisan’izany ny ao Antsirabe. Araka ny tatitry ny tomponandraikitra, maro ny tanora mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika, manantalenta tokony hampiana sy trandrahina. Maro, araka izany, ny faritra hotetezin’ny hetsika ho fitrandrahana ireo mpanantalenta.
Lin