Fizahantany: masoivohon’i Madagasikara ny mpiseradia

Mitaky fifehezana zavatra maro samihafa ny asana mpiseradia noho izy miantoka ny se­hatry ny fizahantany iray ma­nontolo. Masoivohon’ny firenena malagasy izy ireny satria mampahafantatra ny hakanton’ny Nosy amin’ireo mpivahiny tonga eto an-toerana sy hiza­ra izany ho an’ny hafa. Ankoatra izay, mifameno tanteraka amin’ ny firoboroboan’ny teknolojia ny asana mpitaridia. «Tsy miandry ela intsony ireo mpizahatany dia mahita ny biby tadiaviny. Misy ny fitaovana ampiasana hanamorana ny asa”, hoy ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fi­kambanana mpiseradia eto Ma­dagasikara, Rasolohery Bodo­manana. Na izany, mbola vitsy ny mpiseradia eto Madagasi­kara. Anke­hitriny, manomana sahady ireo zandry mpandimby izahay, hoy ny fanazavana voaray. Mbola vitsy izy ireo indrindra amin’izao fotoana izao ka tsy maharaka ny tolotra sy ny tinady. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany, mihabetsaka ihany koa ireo teratany vahiny tonga eto amintsika.
Fantatra fa anisan’ny toerana be mpandeha ny ao Andasi­be satria ahitana ny varika lehibe indrindra maneran-tany. Ma­nodi­di­na ny 145 km miala ny renivohitra no misy ity alan-javaboary ity.

Henintsoa H.

Partager sur: