Tontosa ny sabotsy teo ny fivoriam-paritry ny mpikambana Nifin’Akanga. Nandinihina ny hetsika sy tetikasa notanterahina teo aloha sy nandrafetana ireo tetikasa hoavy ny fihaonana. Taratra teo koa ny fanamafisana ny fanoloran-tenan’ny mpikambana ho an’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Natao koa ny fifidianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny biraon’ ny sampana isam-paritra.
Ho famakafakana ny olana sedrain’ny mpianatra sy famolavolana ny drafi-piofanana, niatrika ny “Analyse causale d’enseignement et d’apprentissage de chaque région” ireo mpanolotsaim-pampianarana avy amin’ny Cisco fito mandrafitra ny Dren Sofia, ny herinandro teo. Niainga tamin’ny tombana mahakasika ny lentam-pahaizan’ny mpianatra sy ny tantsoroka an-tsekoly natao tamin’ireo mpampianatra izany.
Natao ny atrikasa fanao isan-taona momba ny famolavolana ny antontanisa eo amin’ny fanabeazana. Miisa 8 ireo Dren hanatanterahina izany : Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Boeny ary Analanjirofo. Ireo no nosafidian’ny UNICEF hanatontosana izany.
Nitsidika ny Top of Point na ny toerana fiaingan’ireo drone mpamatsy fanafody any ambanivohitra tao Maroantsetra ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona niaraka tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Tetikasan’ny USAID-impact ary tanterahin’ny PSI Madagascar ny famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny drone.