Lalaon’i Afrika – «Ping Pong» : nahena ny mpilalao ho any Ghana

Afaka folo andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africain”, hatao any Ghana i Madagasikara. Ho an’ny taranja tenisy ambony la­tabatra, “Ping Pong”, nahenan’ny minisiteran’ny Fana­tan­ja­hantena sy ny tanora (MJS) ho efatra ny isan’ny Ma­la­gasy mpilalao hiaro ny voninahimpirenena amin’izany.

Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Ping- Pong (FMTT), nakarina ho enina indray io isan’ny atleta ho any Ghana io noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’izy ireo sy ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby. Tsiahivina fa miisa valo ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy tany am-boalohany nefa izao nahena izao rehefa nivoaka ny “quota”-n’ izy ireo avy any amin’ny minisitera.
Hiaro ny voninahi-pirenena i Fabio
Anisan’ireo Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra hiaro ny voninahi-pirenena, so­kajy lehilahy, Rakotoarima­nana Fabio. Tsara ny mampahatsiahy fa vao avy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, natao tany Busan Korea Atsimo, ny tenany, ny 16 – 25 febroary teo. Ankoatra an’i Fabio, hanatevina ny ekipa Malagasy, lehilahy, Rakotoari­soa Mamy Setra, tompondakan’i Madagasikara intelo sy Rakotoarisoa Mamy Riva, nandromboka ny fifaninanam-pirenena farany teo.
Ho an’ny vehivavy, ilay atleta milaravinahitra, Rahari­ma­na­na Hanitra Karen sy Rakot­ondrazaka Océane ary Rakotonirainy Fitia no hisolotena antsika any.

Fitia Randria

Partager sur: