Lavabaton’i Sarodrano: miroborobo ny fizahantany

Tsy maintsy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny toerana samihafa rehetra. Manana ny fomba hiatrehany izany ny mponina any Sarodrano, kaominina St-Augustin, distrika Toliara II, faritra Atsimo Andre­fana. Mivelona amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina sy ny fiompiana lomotra (algue) ary ny fizahantany ny mponina. Nilaza Rtoa Francine, vadina mpanjono, sady mpivarotra hani-masaka hazan-dranomasina (trondro, horita, langosta, …), fa « sarotra vao mahita trondro ny mpanjono, mandeha lavitra, saingy, mahavelona ny mponina ny fihariana, satria maro ny mpizahatany malagasy sy vahiny tonga
any an-toerana, manodidina ny 100 hatramin’ny 200 isan’andro”. Na izany aza mandroso tsara ny fihariany, ankehitriny.
Ho an’ny fananantany, manana fihariana sy ny volany ma­diodio ny vehivavy. Noho ny zo ara-drazana, izay foko Mahafaly sy Vezo ny ankamaroan’ny mponina, tsy mandova tany ny vehivavy, saingy afaka mamindra ny anjarany amin’ny zanany lahy.
Mpitaridia ao amin’ny fikambanana Tamia ao amin’ny toeram-pizahantany, misy ny lavabaton’i Sarodrano i Olivier. Mampiavaka ity toerana ity ny fisian’ny ranomamy ao anaty lavabato, nefa eo amoron-dranomasina. Avy any ambanin’ny tany ny loharano mamatsy azy, avy any amin’ny farihy fito samihafa avy any an-tanety. Trondron-dranomasina anefa no mivelona ao, toy ny « cabot », ny « capitaine », sns.

Njaka A.

Partager sur: