Mbola mahavita asa ary mila ampirisihina tsy hipetrapetra-poana ny zokiolona, hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana Madagascar Alzheimer, Masoandro mody.
Voalaza fa tsy ny taona efa mandroso na ny aretina aterak’izany no sakana amin’ny fivelarana maha olona. Maro ny traikefa ananan’ireo zokiolona mbola azony ampiharina ho fikolokoloana ny saina sy ny vatana, indrindra hampitain’izy ireo ho lova ho an’ny taranaka fara aman-dimby. Misy renibe mpikambana ao amin’ny fikambanana Masoandro Mody izay manana fahaizana asa toy ny zaitra, fanaovana ba…
Haranty sy hamidy ho an’ny mpitsidika ny vokatry ny asa tanan’izy ireo ny sabotsy ho avy izao, mandritra ny fanamarihana ny “Fetin’ny renibe”, eny amin’ny foiben’ny fikambanana Fenomanana Mahazoarivo.
Efa 20 taona no manomana hetsika “Fetin’ny renibe” ny fikambanana raha efa tamin’ny taona 1987 kosa no niforona izany tany ivelany. Fotoana iray tian’ny fikambanana hararaotina ny fety ahafahana mampita ny maha sarobidy ireo zokiolona raiamandreny. Fanehoana ihany koa fa ilain’ ny fiarahamonina ny fifandraisan’ny sokajin-taona rehetra. Tsy hisy ny tantara hifandovana eo amin’ny olona tsirairay sy ny firenena, raha tsy mihaino sy manome lanja ny fampitana avy amin’ireo zokiolona isika, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fikambanana Masoandro Mody.
Ny fivoaran’ny teknolojia rahateo mametraka elanelana matetika eo amin’ny sokajin-taona samihafa na maro aza ny lafitsara entiny. Ilaina, noho izany, ny fiaraha-mientana hampitomboana ny fifanatonana amin’ireo raiamandreny amin’ny fomba maro isan-karazany. Mandritra ny “Fetin’ny renibe” eny an-toerana: hisy ny kalon’ny fahiny iarahana amin’ny mpanakanto, lalao “loto” sy kilalao samihafa… azon’ny ankizy sy ny zokiolona iaraha-milalao.
Vonjy A.