Minisiteran’ny Mponina : mikarakara fifaninanana ho an’ny vehivavy

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy ny fifaninanana karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina mahakasika ny tantaram-pahombiazan’ny vehivavy sy ny ankizivavy.

Lohahevitra telo no voizina amin’izany dia ny fijoroana vavolombelona na ny fizarana ny fahombiazana amin’ny fampiasana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ho an’ireo tokantrano mampiasa ny fandrindram-piterahana. Manaporofo fa mitondra fizakan-tena ho an’ny vehivavy ny fandrindram-piterahana. Faharoa ny momba ny fifampizarana traikefa ho an’ireo vehivavy anaty fikambanana, indrindra ireo nisitraka fiofanana sy fampitaovana tamin’ny 8 marsa 2023. Fijoroana vavolombelona momba ny tombontsoa azony tamin’ny fampiasana ireo fitaovana sy ny fizarany izany tamin’ny manodidina azy.

Lohahevitra fahatelo ny momba ny firaisankinan’ireo samy vehivavy anaty fikambanana mijoro ara-dalàna. Ha­ne­hoana ny fiaraha-mientana sy fifanohanana anaty fikambanana maneho firaisankina. Tsy mihoatra ny 2 mn ny horonantsary vokarina anehoana ny iray amin’ireo lohahevitra ireo. Hatramin’ny 28 febroary izao no fara-fandefasana ny horonantsary amin’ny mailaka comm.mps@gmail.com. Ho fantatra ny 7 marsa izay mendrika amin’ny fifaninanana. Hahazo loka kosa ireo mpifaninana sangany roa voalohany isaky ny lohahevitra.

Tatiana A

Partager sur: