“Handrotsaka kandidà sady kandidà Arema izahay amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana ben’ny Tanàna”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, tamin’ny fambolen-kazon’ny antoko tany Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Nahoana ny tany mahantra toa an’i Madagasikara no ambony no ho ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina ho filoham-pirenena any amin’ny tany matanjaka ny anto-bola amin’ny fifidianana solombavambahoaka? Na natao avo roa heny no ho ny tolo-kevitry ny Ceni aza ny anto-bola amin’ izany, hatrehina araka izay ny fifidianana. Tsy maintsy atao ny firotsahan-kofidina hahazoana manao ny asa hanasoavana ny firenena.
Mety azo jerena ny fisian’ny fiarahan’ny antoko amin’ny vondrona na antoko politika hafa amin’ny toerana sasany, raha olona manana ideolojia na fandaharanasa mitovy
amin’ny Arema no hifampiraharahana ny amin’izany. Raha mifandaka kosa izany, antoko manana ny maha izy azy sady hankalaza ny faha-48 taony ny Arema: azo atao ny mijanona amin’izao. Notsiahivina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay misy ny diabe fanao isan-taona, isam-paritany amin’ny 8 marsa, ny fankalazana ny tsingerin-taona nijoroan’ny antoko amin’ny 19 marsa, ny hetsi-pahatsiarovana ny nahafatesan’ny filoha mpanorina, ary ny fanomezan-kaja ireo namoy ny ainy tamin’ny 29 marsa 1947.
R. Nd.