Hihena ho 30 000 t ny famokarana Nikela ao Ambatovy, amin’ity taona ity, raha toa ka 40 000 t izany ny taona lasa teo, hoy ny Sumitomo. Marihina fa tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny Nikela sy Kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Manana efatr’andro ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny solontena avy amin’ny tany mpikambana ao amin’ny OMC hiadian-kevitra hanatsarana ny raharaham-barotra maneran-tany momba ny lavanila mandritra ny fihaonamben’ny minisitera faha-13, any Abou Dhabi.
Miato ny fanondranana volamena ataon’i Burkina Faso noho ny fandrindrana sy fanadiovana ny tontolo. Mampidi-bola ho an’ny fanjakana any an-toerana ny famokarana volamena, 10 t eo ny fitrandrahana volamena madinika raha toa ka 57,6 t ny fitrandrahana nataon’ny indostria ny taona 2022.