Manana adidy amin’ny lafiny tontolo iainana ny orinasa Airtel Madagasikara. Miisa 1 100 ny zana-kazo (acacia, kininina, frêne) nambolena teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny
16 febroary teo. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Catherine Tchokonte, fa « efa fanao mahazatra isan-taona ny fambolen-kazo, hananana tontolo maitso sy ho an’i Madagasikara. Vonona isika ho ohatra ho an’ny fampandrosoana maharitra, ho an’ny taranaka sy ny Malagasy rehetra ».
Nampahatsiavin-dRtoa DG ny fotokevitry ny orinasa Airtel Madagasikara, hitrandrahan’ny mpiasa ny herijikany avy, haneho ny firaisankina, ny fitandroana ny fahavitrihan’ny orinasa. Manohy ny fitandroany ny rohy voahary ny orinasa ary vonona hatrany amin’ny hisian’ny fampandrosoana maharitra eto amintsika, sady ho fitaratra ho an’ny hafa amin’ny fandraisana andraikitra ho an’ny firenena. Mahatratra 11,2 ha ny velarantany efa nambolen’ny Airtel Madagasikara hazo tato anatin’ny fito taona.
Njaka A.