Emergence de Madagascar : manohana ny fitondram-panjakana ny fikambanana

Miray vina amin’ny fitondram-panjakana sy ny Filoham-pirenena ny fikambanana “Emergence de Madagascar”, amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana, indrindra ny eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny indostria sy ny sosialim-bahoaka.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Centre de conféren­ce internationale (CCI) Ivato, ny fivoariambe nasio­nalin’ny fikambanana Emer­gence de Madagascar. Naha­tonga solotena niatrika izany avokoa ireo mpikambana manerana ny Nosy. Ankoatra ny fifampirariana soa amin’ny taona vaovao. Anisan’ny nameno ny fandaharam-potoana tamin’ity fivoriambe ity ihany koa ny fampahafantarana ny fikambanana sy ny foto-kevitra ijoroany. Araka ny nambaran’ny filoha nasiona­lin’ny fikambanana, Raboana Holijaona, miray vina amin’ny Filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana, indrindra ho an’ny eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny maha olona.
Anisan’ny laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fananganana ny Zone d’émergence économique , efa andalam-pahatanterahana ny ZEE, ary handray anjara mavitrika amin’izany ny fikambanana. Ny ZEE izay hisarika fampiasam-bola eto an-toerana sy avy any ivelany ary hampihena ny tsy fananana asa sy hanatsara ny fari-piainan’ny Malagasy. Natao ho andry lehibe, hampiroborobo sy hanafaingana ny fivoaran’ny sehatra maro, sahala amin’ny fambolena sy fiompiana, indostria, fizahantany…, ihany koa izany.

Tsy manao politika

«Tsy antoko politika ary tsy manao politika ny fikambanana fa misehatra eo amin’ny sosialy sy ekonomia», hoy Ra­boana Holijaona. Na eo aza anefa izany, nilaza ihany koa ity filoha nasionalin’ny fikambanana Emergence de Mada­gascar fa raha misy ny olona vonona hirotsaka ho fidina ka mahafeno ny fepetra apetraky ny fikambanana dia atolotr’izy ireo ny antoko politika IRD.

Lin

Partager sur: