Sorodalana apetraky ny fadintseranana malagasy ny fahazoam-bokatra ara-kalitao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tratra ny tanjona, nahazo ny ISO 9001-2015 avy amin’ny orinasa Certi-Trust ny « centre de valeur »n’ny fadintseranana malagasy.
«Voalohany amin’ny sampandraharaham-panjakana mahazo ny Certification ISO 9001-2015 ny Centre de valeur’ny Fadintseranana Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, nandritra ny fanolorana ity fankasitrahana ity, tetsy Antaninarenina, omaly. Nontsindriny fa « tsy ny fadintseranana no nahazo azy fa ny Centre de valeur » izay manamarina sy mampifanaraka ny tombam-bidin’ny entana sy ny fanambarana atao amin’ny entana mivezivezy. Ao anatin’ izany ny fijerena manokana ny fiavian’ny entana, ao koa ny habetsaky ny vokatra, izany hoe, mila mifanaraka amin’ny lanja voalaza ireo voasoratra. Misongadina ao anatin’izany indrindra ny habantseranan’ ireo entana mifamezivezy. Noho ny ezaka vita sy ny kalitaom-bokatra ary ny fanarahana ny paikady napetraka dia nahazo ny taratasy fanamarinana ny ISO 9001-2015 avy amin’ny orinasa Certi-Trust avy amin’ny groupe international certification Trust services (ICTS) ny fadintseranana malagasy. Ity farany, izay sampandraharaham-panjakana voalohany nisitraka ity fanamarinana ity.
Fanavaozana
Niara-niasa tamin’ny Gasy Net ny fadintseranana malagasy ny taona 2009 tamin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ ny entana. Sorodalana napetraka tamin’izany ny fanamarinana ireo entana miditra eto Madagasikara. Taty aorina, nisy ny fanavaozana natao ka “napetraka ny centre de valeur, ny taona 2020 », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fadintseranana malagasy. Napetraka ny fomba fiasa mahomby hisorohana ireo hosoka isan-karazany. Nomena fiofanana ihany koa ireo mpiantsehatra misahana ny sampandraharaha. Ankoatra izay, nisy ny fampitaovana ny toerana hahazoana vokatra haingana sy mahomby ao anatin’ny fotoana fohy sy manaraka ny fepetra takina. Antony nahazoana ny ISO 9001-2015.
Henintsoa Hani