Tsy misy fiafarany! Nanomboka ny volana septambra 2023 hatramin’ny afakomaly alina, misy hatrany ny fakana an-keriny ao amin’ny distrika Ankazobe. Ampangain’ny mponina ho tompon’antoka voalohany ny mpiasam-panjakana ambony any an-toerana, miara-miasa amin’ny tambajotran’olon-dratsy avy aty an-drenivohitra. « Basy mahery vaika, atakalo vatosoa no ampiasain’ny jiolahy », hoy ny mponina.
Tsy misy vahaolana mahomby hatramin’izao! Izay no zava-misy mahakasika ny fakana an-keriny olona ao amin’ny distrika Ankazobe. Nanomboka ny volana septambra 2023 izany mitohy mandraka ankehitriny. « Tafakatra 33 ny tranga nisy tao anatin’ny taona 2023. Raha efa 15 kosa izany tato anatin’ny volana janoary sy febroary 2024. Antontan-taratasin’ady miisa 12 kosa no nandalo ny fampanoavana tao Ankazobe. Olona 81 nohenoina sy nanaovana fanadihadiana. 62 naiditra am-ponja ka ny 29 nalefa any Tsiafahy, ny 33 ao amin’ny fonjan’ Ankazobe», hoy ny tonian’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Raharitsimba Manantenasoa Hervé Landry. Miandahy miambavy ny olon-dratsy. Tsy mifidy lasibatra izy ireo fa izay manam-bola sy heverina fa afaka ny handoa ny takalonaina dia efa petahany.
« Ny fahalanian’ny omby, ny fitiavam-bola malaky, lonilonim-pianakaviana. Ireo matetika no antony mahatonga ny fakana olona an-keriny. Misy ihany ny fitiavana te hanao ratsy », hoy hatrany ity mpahay lalàna ity. Manamafy izany rahateo ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin. Nambarany fa «adim-pianakaviana vokatry ny ady tany matetika no mahatonga ity fakana olona an-keriny ity. Ny mpianakavy ihany no mifamely an-toerana », hoy izy.
Ho an’ny ben’ny Tanàna ao Antakavana, kaominina iray, malaza ho ivon’ny asan-jiolahy sy fieren’ny dahalo dia mifototra amin’ny olana sosialy izay mianjady amin’ny mponina ny mahatonga ny fakana olona an-keriny any an-toerana. « Ankoatra izay, midadasika ny faritra ka mora ny fiafenan’ny jiolahy. Betsaka ny kizo izay toby famaharan’ny olon-dratsy. Ireo zanatany anefa tena mahafehy ny tanàna ka mirehareha mihitsy. Mazava be fa rehefa najanon-dry zalahy ny halatra omby dia aleony naka olona amin’izay. Iny sady vola mihodina vetivety », hoy ity olom-boafidy nanaovana fanadihadiana tany ifotony ity.
Mpitsara sy miaramila
Raha ny vokatry ny fanadihadiana lalina natao tany an-toerana, anisan’ny voatondro ho tompon’antoka voalohany ny fitsarana sy ny miaramila ao Ankazobe. Andaniny, ny lehiben’ ny fampanoavana izay lazain’ny mponina fa mampirisika ankolaka izany, noho ny resaka kolikoly. «Misy amin’ny olona efa migadra no tereny handoa vola hany ka manita-kevitra amin’ny fanaovana kidnapping », hoy ny loharanom-baovao iray, nangataka ny tsy hotononina. « Ny fitsarana mihitsy no lazain’ny olon-dratsy fa mpaniraka », hoy kosa ny raim-pianakaviana, nanana zanaka efa nalaina an-keriny. Manoloana izany, mazava ny valinteny avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana fa malalaka ny olona hihevitra ny fisian’ny kolikoly, malalaka izy ireo amin’ny heviny saingy tsy mitombina ny fiampangana azy. « Manaporofo izany, tena manao ezaka goavana izahay tsy hisian’ ny tsimatimanota. Misy ny ezaka goavana amin’ny fanadiovana sy ny fisian’ny mangarahara. Iaraha-mahita ny fampidirana am-ponja izay tratra ankoatra ny fikarohana ny mbola miriaria », hoy izy namaly ny ahiahy apetraky ny mponina aminy.
Ho an’ny tomponandraikitry ny miaramila kosa dia tsy nisy ny valinteny mazava voaray. Manaporofo ny zava-misy eny ifotony kosa ny fisian’ny mpitandro filaminana 10 lahy efa nalefa eny Tsiafahy. « Tsy miaro olon-dratsy ny zandarimariam-pirenena », hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fari-piadidiana Analamanga, tarihin’ny kolonely Andrianarimasy Radosoa. Toraka izany ny eo anivon’ ny Foloalindahy, izay milaza fa tsy maintsy misy ny fandoto iray tandroka izay manimba ny fandio iray siny.
Bala mena mirehitr’afo
Raha ny zava-misy any ambanivohitra, tsy ho foana vetivety ny fakana olona an-keriny ao Ankazobe. Mbola miriaria sy matanjaka ny atidoha izay dahalo ambony latabatra. Raha ny fitaovam-piadiana ampiasain’ny jiolahy dia mampibaribary izany. « Tena mahakivy ny zava-misy. Sarotra ny ady satria atody miady amam-bato izahay. Na ny zandary aza tsy manana fitaovana noho ny mpaka an-keriny. Samy manana Kalachnikov, samy manana Mass 36 fa ny dahalo dia manana ireny tafondro marovava ireny. Aiza no misy andian-jiolahy mitondra bala anaty kesika na baoritra. Bala mena mirehitr’afo: sady mahafaty no mandoro tanàna no ampiasain’ izy ireo. Bala mivoaka avy amin’ ny toby miaramila na mpamokatra bala mihitsy ireny », hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny raiamandrenin’ny tanàna ao Andranomiely. « Vavolombelona niaina izany izahay ny alin’ny 7 janoary 2024. Fitaovam-piadiana tsy mbola fahita taty mihitsy no nanafihana ny tanànanay », hoy Randrianasolo, rahalahin’ny ben’ny Tanànan’Andranomiely, maty novonoina. Mbola manamafy izany ireo polisim-bohitra 27 mirahalahy ao anatin’ny kaominina. « Mampalahelo ny zavatra iainanay. Tsy mba basy mahazatra no entin’ ny jiolahy fa basy mirehitra afo. Mazava ho azy fa basy avy amin’ny fanjakana ihany ireny. Misy firaisana tsikombakomba ataon’ny mpitandro filaminana. Manaporofo izany ny fanarahan-dia nataonay ny 8 janoary 2024. Rehefa nifanakaiky izahay sy ny mpanafika dia ny miaramila namanay mihitsy no nampirisika anay hanavotra aina tsy hifanehatra amin’ny olon-dratsy. Hay efa hitan-dry zalahy tafika ny tafondro marovava. Hay, izy 10 lahy, miaramilan’ny DAS no atidoha nanafika an’ingahy ben’ny Tanàna », hoy izy ireo.
Manamafy izany rahateo ny manamboninahitra ambony iray, anisan’ny mitarika ny hetsika Harato 2. « Mibaribary amin’ny taim-bala ny laharana sy ny toby nivoahan’ ny bala. Efa mangataka ny hamoahana ny marina izahay saingy tsy misy tohiny hatreto. Manamafy sy manaporofo aho fa misy ny bala mirehitra afo. Mitondra bala amin’ny sakaosy ny jiolahy aty. Mbola izy ireo no sahy mihantsy ny zandary eny an-kianja », hoy ity kolonely iray nangataka ny tsy ho tononina anarana.
Diso izany…nisy kirizy teto
Anisan’ny voatononton’ny loharanom-baovao samihafa teny ifotony ny famoahana bala avy any anaty toby miaramila sy ny magazay mpamokatra bala ao Moramanga na ny ao Imerintsiatosika. Mitsipaka marindrano izany ny eo anivon’ny fibaikoana ny Tafika Malagasy sy ny minisiteran’ny foloalindahy. Nilaza ny minisitry ny Foloalindahy fa diso ny vaovao mahakasika izany. « Saro-pady ny resaka bala. Hentitra ny fanaraha-maso na avy amin’ny tomponandraikitra anatiny eto Madagasikara, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy misy ny tandrevaka na sanatrian’ny vava lesoka fa tena sarotiny izahay amin’ny famokarana sy ny famoahana ny bala raha ny ozinina ao Moramanga no resahana. Amafisiko fa nisy kiziry politika maro nisesisesy teto Madagasikara, nanomboka ny taona 1975 mandraka ankehitriny. Be dia be ny fitaovam-piadiana very na nisy nanaparitaka tamin’izany fotoana. Maro izy ireny no tsy tafaverina aty amin’ny fanjakana intsony. Tena mbola misy mampiasa ary tena mbola tsy misy fahasimbany ny basy sy bala very tamin’izany », hoy ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Dalphin. « Efa miezaka ny mamerina sy mitady azy ireny izahay. Efa misy ny vokatra saingy mbola tsy ampy izany. Misy ny savahao, ara-potoana avokoa ny hetsika ataonay », hoy hatrany izy.
Angidim-by sy vato sarobidy
Vaovao iray, nanamarika ny fidinana ifotony ny filazan’ny mponina tao Mahavelona, toerana iray anisan’ny tena lasibatry ny fakana an-keriny, ny fisian’ny angidim-by iray mihaodihaody any an-toerana andro vitsy mialoha ny tranga na ny asan-jiolahy. Voalazan’ny mponina fa:
« Ahina ho manatitra fitaovam-piadiana sy bala izany. Misidina eto ambon’ny tanàna ny helikoptera dia mivadika mankany Ambolotarakely any, izay iaraha-mahalala fa misy ny olon-dratsy tena ikoizana amin’ny fakana an-keriny. Toerana fieren’ny jiolahy ihany koa », hoy ny loharanom-baovao. « Atakalon’ny olon-dratsy vato sarobidy ny bala raha ny tsilian-tsofina henonay »,
hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Nisy ny fangatahana mangaraharaha amin’ny fivezivezen’ ny Angidimby saingy mbola tsy voamarina hatreto ny mahakasika ity tranga ity. Marihina fa tsy nisy afaka nanome antsipirihany mahakasika ny mombamomba ilay angidimby na an’olon-tsotra na an’ny Tafika Malagasy izany. « Tena misy ny fisidinan’ny helikoptera fa tsy hainay izay anton-diany. Saro-pady sy avo lenta loatra ity tranga ato Ankazobe ity, ka mila fahamailoana. Matahotra izahay », hoy ny mpitondra fivavahana iray, niampy fanamafisana avy amin’ny mpitandro filaminana iray nanaiky ny nifampizara vaovao.
Nisy ny fangatahana fanampim-panazavana avy amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, sy fangatahana ny antsipirihan’ny sidina nataon’ny helikopteran’ny Tafika saingy mbola anatin’ny fandaminana ny tomponandraikitra, araka ny fampitam-baovao azo, omaly. Marihina anefa, fa tsy misy helikoptera mamita iraka aloha any an-toerana, amin’izao hetsika Harato 2 izao, na dia iaraha-mahita aza fa izany no hany fitaovana afaka mifehy sy manafay ireo olon-dratsy any an-toerana.
Jiolahy tsara fanahy fa misy tromba!
Anisan’ny mampananosarotra ny fanenjehana ny jiolahy ao Ankazobe ny fiarovan’ny manampahefana azy ireo. Mainka manampy trotraka ny firaisankinan’ny vahoaka miaro sy manafina azy ireny. Sarotra no ahazoan’ny mpitandro filaminana vaovao sy ny mombamomba ny jiolahy. Misafidy ny mihidy vava ny fokonolona satria tsara fanahy lavitra aminy, noho ny mpiasam-panjakana, ny olon-dratsy. Ny jiolahy izay voalaza fa tsy manao ratsy ny mponina raha tsy misy antony manokana. Matetika aza ny olona iray fokotany no mpitsikilon’ny olon-dratsy. Mpanome vaovao amin’ izay olona ho alaina an-keriny, andaniny. Manome vaovao mahakasika ny hetsiky ny zandary, ankilany. Hany ka tsy misy vokany ny hetsika fampandrian-tany.
Nambaran’ny lehiben’ny fampanoavana ao Ankazobe rahateo fa ny jiolahy dia tsy mamono ny olona alainy an-keriny izany velively raha vao miroso amin’ny fampiraharahana ny fianakaviana. Mbola ireto farany aza no hampividianany entana sy fahana finday rehefa miroso amin’ny fifanakalozana ny takalonaina. « Esorina amin’ny vola takalo ny vidin’ny entana. Raha misy firavaka na akanjo tian’ny jiolahy aza amin’ny mpanatitra vola sy ny mpaka takalonaina dia vidiany izany », hoy ity mpahay lalàna ity.
Tsy tia ra latsaka ny jiolahy amin’ny ankapobeny, noho ny ody na moara tazominy. Voalaza fa misy tromba ny lehiben-dry zalahy. Fanamby apetrak’izy ireo kosa anefa ny mahafaty zandary.
Lava-bato sa tany miaramila ?
Mba mankaiza ary ireny olona alaina an-keriny ireny? Toerana telo no misongadina tamin’ny fakana am-bavany ireo lasibatra nanaiky niresaka. Voalohany, miafina ankalamanjana anaty kirihitra na saha lavavolo izy ireo. Faharoa miafina anaty lava-bato any amin’ny tany maty na ny dezera, eo anelanelan’Antakavana sy Ambolotarakely. Farany, misy loharanom-baovao mitatitra fa ao anatin’ny tany miaramila ao Ambohitantely, manakaiky ny faritra arovana izy ireo no makamaka aina, miandry ny takalo.
Ireo toerana falehan’ny jiolahy: ao Ampotokazo manaraka ny sisin’i Betsiboka. Ankoatra izay, manaraka ny valan-javaboahary Anjianjiabe, mandalo ny lohasahan’i Marotaolana, mandeha Andraketa sy Antsahamenarana izy ireo ka mivadika any Kelimahery, izay tany maty kanefa tena mivelatra be, tsy vaky raha tsy « drône » sy helikoptera na fiaraminidina mpiady mihitsy.
Misokajy telo ireo andian-jiolahy
Taorian’ny fanadihadiana natao tao amin’ny kaominina Andranomiely Avaratra, Antakavana, Ambolotarakely ary Mahavelona, nandritra ny telo volana, no nahalalana fa misokajy telo mazava tsara ny andian-jiolahy mpaka an-keriny. Andaniny ny ekipan’i Lemiadana, monina ao Ambohimarina. Izy no nitarika ny ekipa voalohany ary mitazona basy mahery vaika toy ny Kalachnikov sy ny Mass 36, toy ny
tarika hafa, ihany. Fikambanan-jiolahy faharoa, tarihin’i Dadah avy ao Antaniditra. Dimy hatramin’ny filo lahy eo izy ireo no tena miara-dalana fa manana tanora am-polony maro anatin’ ny vondrona. Ny ekipa fahatelo dia ny miaraka amin’i Rabevolamena na i Lemizana, atidoha nikotrika ilay fandorana velona olona 32 tany Ambolotarakely tamin’ny taon-dasa. Manana olo-mahatoky iray izy amin’ny asan-jiolahy atao, dia izany Safidy izany.
Mitovy ny fomba fanaon’ ireo ekipa telo ireo, izay mpinamana sy mpiray ombon’antoka amin’ny asan-jiolahy. « Raha maivamaivana ny iraka ataon-dry zalahy dia mifampizara izy ireo. Mandeha andiany tsifitofito ka ny enina mitazona Kalachnikov sy Mass 36. Ny iray misava lalana. Rehefa mafimafy ny fanafihana atao dia mivondrona amin’ny toerana iray izy ireo ka tafakatra 40 hatramin’ny 80 lahy. Manetsika ny fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa », hoy ny ben’ny Tanàna iray nanontanina.
Tadiavina i « Radobe »
Anisan’ny ifampitadiavana amin’izao fotoana izao i Radobe, izay ahina ho atidoha mpikotrika ny asan-jiolahy ao amin’ny distrika Ankazobe. Hanaovana hazalambo izy ankehitriny, noho ny resaka fakana olona an-keriny. « Efa tsy eto Madagasikara izy fa any Dubaï. Matahotra ny ainy sy ny famonoana fahatany ataon’ny mpitandro filaminana izy ka nisafidy ny niala teto Madagasikara, na dia efa nivonona ny nitolo-batana aza fa hiverina eny anivon’ny fianakaviana », hoy ny olona akaiky sy mifandray akaiky amin’ny fianakaviany, izay raiamandreny ao amin’ny distrika. « Anisan’ny fianakaviana iray, tafiditra ao anatin’ny henjehina rahateo izy ireo. Tsy misy fifampiraharahana azo atao amin’ny jiolahy na milaza fa miova fo aza izy », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena nanaovana fanadihadiana.
« Tsy azo kitihina izany fianakaviana izany. Olona manana ny maha izy azy eto Ankazobe izy ireo ary ny mpitandro filaminana mihitsy no mahazo tombony amin’ny asa sosialy ataon’ izy ireo. Tsy mino izahay fa hisy ny fisamborana », hoy kosa ny renim-pianakaviana iray, manana rohim-pihavanana amin’i Radobe. Nanamafy rahateo ity loharanom-baovao ity fa fahendrena ny an’ny mpitandro filaminana raha manatsahatra ny fanenjehana noho izy ireo tsara mpiaro.
44 tapitrisa Ariary
4 tapitrisa Ar ny vola sandan’ny takalonaina ambany indrindra noraisin’ny jiolahy nanomboka ny volana septambra 2023. Fianakaviana iray tany amin’ny kaominina Antakavana no lasibatra, ny 5 septambra. Enin-dahy no naka tovovavy iray. Tafakatra 44 tapitrisa Ar ny sandan’ny takalonaina ny volana janoary 2024. Nisy ny nanome 40 tapitrisa, 30 tapitrisa Ar. Miaka-bidy isam-bolana ny takalonaina.
Ankoatra ny varotra fananana, misy amin’ny fianakaviana lasibatra no voatery mitrosa sy manao antoka ny tanimbary sy ny trano. Zary mampisara-bazana ny mpianakavy anefa izany satria misy ny tsy afaka ny hamerim-bola na manana alahelo ny fananany dia manita-kevitra. Lasa mihodinkodina, boribory vetaveta eo ilay fakana olona an-keriny.
Fehiny, ny fanjakana no mila mamerina voalohany ny hasina tokony hananany eny anivon’ny fiarahamonina. Mba hanana ny fahefana araka ny voalazan’ny lalàna. Ny fanjakana no mila manome endrika tsara amin’ny fanohanana ny mpitandro filaminana miantsehatra eny ifotony mba tsy hanaovan’izy ireo zavatra tsy manjary.
Mbola nofinofy ny fandresena ny fakana an-keriny ao Ankazobe, mbola samy mitondra ny lohany avokoa ny mpiantsehatra.
Nanatontosa : Riana Raymond