Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ilay lalàna momba ny fanolanana “Castration”, araka ny nambaran’ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre. “Voalaza ao anatin’ny Lalàmpanorenana malagasy ny fanamelohana ny fanaovana habibiana amin’ny maha olona”, hoy izy.
Tsy afapo tamin’ny fifidianana filoham-
pirenena farany teo ny Vondrona Eoropeanina (UE). Nambaran’izy ireo teny Ankorondrano, afakomaly, fa tsy nanaraka ny fehin-kevitra naroso, ny taona 2019, ny fanjakana hanarenana ny lesoka ka takin’ny UE ny hifampidinihana momba izany.
Efa any Toamasina manazava ny fijoroan’ny Firaisankina Madagasikara ho an’ny Malagasy ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc. “Mandray sy manaraka hatrany ny toromarika ho fanohizana ny tolona ho fanarenana sy fanavotam-pirenena isika”, hoy izy.
Naato ny fampidirana mpiasam-panjakana, mandrapahavitan’ny fanisana sy ny fijerena ny fahaiza-manaon’ny tsirairay, araka ny nambaran’ny minisitra Razakaboana Hanitra, omaly. ”Tsy miato maharitra akory fa mandrapahavitan’ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha”, hoy izy.